You are here: home > Tononkira > KINTANA TELO

Hiran-drazako (KINTANA TELO)


Ny Hira tiako indrindra
Ny hiranao ry taniko
ahaizako mandrindra
ny vazoko ka mamiko
Ka na aiza, na aiza alehako
Dia ao am-bavako ao
ataoko ho reharehako
Amin’izao tontolo izao

Tsy hira nosandohako
Na hira mba nindramiko
Fa efa tany alohako
‘zay nahatatononkira.serasera.orgny anao ry taniko
No tena nisehoany tao am-pon’ireo
razana ka nampitainy
nokaloiny ho lovan’ireo taranaka

Mamiko ry razako ny bahan-kiranao
Laniko ka tsy afako, kaloiko lava izao
Ny hiranao ventesiko amin’ny teny tena mamiko
Satriko hiraina mazàna
ny hiranao, hiranao ry taniko


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KINTANA TELO
Mpamaky : 56
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : randriamparany86
Tamin'ny : 05/10/2017 16:26:58
ID : 10044

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo