izaho mbola manantena (Kiki sy Nirina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Telo volana izay ny andro tsy nihaonana
Manembona anao tsindraindray
Izay no mafy ao an-tsaina
Satria nandao ianao
Mankalao tsy mahatamana
Maizimaizina ny antoandro
Toa tsisy masoandro.

Nefa izaho mbola manantena
Fa any andro iray
Mbola hihaonantsika eto indray
Izay no hasambarana
Ka na mafy aza no manjo
Izaho tsy ho kivy fo
Fa mahatoky ireo dina natao
Ka miandry anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiki sy Nirina
Vangy : 2525
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/11/2013 00:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1372