You are here: home > Tononkira > Kiki sy Nirina

Ilay fisarahantsika (Kiki sy Nirina)

Henemana androany izao
Ny andro nahalasananao
Ny ato an-tranontsika
Tsisy miova bika
Saingy malahelo, mangatsiaka

Ilay piano fitendrinao
Tsisy mandray azy intsony
Lasa mangingina
Ny ato an-tranontsika
Tonga malahelo, mangatsiaka

Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina
Ny alahelo anao no be, sombiniaina
SomTsiky dia ampybiniaina

Omaly tontolon'ny andro iny aho
Tsy nahita izay atao aho
Ny bokintsarintsika no nojereko
Ka sady velon-tsiky aho
No nisento aho

Ny fandefasampeo injao
Mandefa ilay hira tianao
Ny orana no injany any ivelany any
Mitaitaika mora
Toa tomany

Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina
Ny alahelo anao no be sombiniaina
Sombiniaina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kiki sy Nirina
Mpamaky : 6696
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 29/10/2013 15:40:47
ID : 6396

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo