Medley (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola kely ianao
Dia efa nahasarika ahy
Izato fihetsikao
Nambabo ny fanahy.

Nefa mbola hitiavako anao 'zay
Niaretako, niandrasako
Mandra-patonga ilay taona an an!
Nefa mbola hitiavako anao 'zay
Nanajako anao tokoa o!
Mandra-paha an an!
..................
Mbola tia angamba
Matoa izy sahy manao izao
Nefa mino aho fa
Mbola mila ahy ianao ô ô, ô ôh ô!

Mbola tia angamba
Matoa izy sahy manao izao
Teny iray ihany hoy aho!
Dia ampy ho ahy sy ho anao.
...................
Tsy sahiko ho lazaina
Matahotra aho mantsy; sao dia lavinao
Tsy tsapanao, izao efa raiki-pitia
Mijery anao, manjary mankahia ih i!

Efa ela nitadiavako anao
Isan'adro isan'andro izao
Tsy mba mety ambelanao
Mino aho, fa tsy maintsy ho azoko ianao
Ka amin'izay andro izay
Dia ho resiko ianao ah a a!
....................
Fitia nindramina avy any aminao
No niainako hatrizay hatrizao
Nefa toa navelanao
Toy izay fanaonao.

Fitia nindramina avy any aminao
Fiainana vaovao lava izao ny anao
Nefa izany ve no atao hoe hasambarana.
.....................
Lozanao raha izaho no simba
Fotoana very maina ny atsika hatrizay
Lozanao raha izaho no simba
Fotoana very maina ny atsika hatrizay
Tiako raha averinao indray.

Iano no heriko
(tiako ianao)
Ianao irery
(tiako ianao)
Raiso ny fitiavako ooo oooh! (ho anao irery ihany)
Amin'izao
(dieny mbola eto an-tany!)
Ieh ieh ieh ieh eee!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 1610
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 05/12/2018 09:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3272