Fanantenako (KEROBIMA ANKATSO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na lavitra Anao aho ry Jeso, tsy nafoinao
Namela heloka ahy Ianao na dia tsy mendrika aho, ry Jeso
Tsy nolalainao ny ainao satria, tsy mahafoy Ianao
Tonga holatra, teo imasonao ny rangotry ny otako


REF: Voarakitra ao am-poko ao, ilay Hazofijalianao
Mitondra fiainana sy fiadanana
Natolotrao ho anjarako
Tsy hain'ny vavako lazaina intsony ity fitiavanao
Ka dia misaotra Anao, misaotra ry Jeso
Jeso FANANTENAKO Ianao

Atolotro Anao anio Jeso, izay momba ahy
Ny heriko, ny aiko eny koa ny safidiko, ho Anao
Aza tsarovanao ny lasako, te hamonjy Ianao
Ho Anao Jeso, eny ho Anao, ny anton'ny fisiako

REF:...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KEROBIMA ANKATSO
Vangy : 1230
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herizo ANDRIANAIVO
Daty : 22/05/2019 16:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9653