AZA ILAOZANAO (KEROBIMA ANKATSO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Te hiantso Anao ny foko anio, ry Jesosy ô
Te ho eo anilanao, hiondana aminao
Na dia ratsy aza aho Jeso noho ny otako
Aza dia hihambohoanao ity foko mahantra

Te hiantso Anao ny foko anio, ry Jesosy ô
Te ho eo anilanao, hiondana aminao
Na dia ratsy aza aho Jeso noho ny otako
Aza dia hihambohoanao ity foko mahantra

REF (X2): Aza ilaozanao fa mahantra aho Jesosy ô
Ny eo anilanao, no mba sitrako
Aza ilaozanao fa mba ho aiza moa aho Jesosy ô
Raha tsy eo Ianao, aza ilaozanao aho
Ity foko anie ka tsy mba manana
Izay mba ianteherana afa-tsy Ianao Jesôsy ô

Aza avelana hangahiahy, ry Jesôsy ô
Te hibitsika aminao, mba henoy Jeso
Na dia eo an-tongotrao aza toerana
Fantatrao fa sahaza ho ahy
Dia ekeko Jesôsy ô

Aza avelana hangahiahy, ry Jesôsy ô
Te hibitsika aminao, mba henoy Jeso
Na dia eo an-tongotrao aza toerana
Fantatrao fa sahaza ho ahy
Dia ekeko Jesôsy ô
REF:.....X2

T&F: BEL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KEROBIMA ANKATSO
Vangy : 3191
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herizo ANDRIANAIVO
Daty : 23/05/2019 08:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1533