You are here: home > Tononkira > Kelly Rajerison

Razandry (Kelly Rajerison)

Efa hatry ny ela aho re, razandry
Efa hatry ny ela aho
Efa hatry ny ela aho no niandry
Vaovao avy aminao
Manao ahoana i Neny ao?

Manonofy anao indraindray aho, razandry
Manononofy anao
Manonofy anao indraindray aho, razandry
Eo anilako eo
Tonga hampiaram-peo.

Mahatsiaro anao fotsiny aho, razandry
Mahatsiaro anao fotsiny aho
Mahatsiaro anao fotsiny aho, razandry
tononkira.serasera.orgNo mahatonga ahy toa izao
Lasa saina toa izao
Miala tsiny aminao.

Diso fantatrao loatra aho, razandry
Diso fantatrao loatra aho
Diso fantatrao loatra aho, razandry
Miala tsiny aminao
Tonga nanaitra anao

Izay no izy ary re, razandry
Izay no izy ary
Hangata-dàlana aho re, razandry
Fa any andro, any taona
Izaho sy ianao mbola hihaona
Any andro, any taona.



Tonony sy feony : Kelly Rajerison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1201
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 02/11/2013 00:08:30
ID : 6403

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo