Isaorako Anao (Kelly Rajerison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako Anao ny andro lehibe
Isaorako Anao izay tonga nanome
Fijery vaovao manomboka anio
Ity foko adaladala mantsy efa voadio.

Isaorako Anao ry Namana iray
Isaorako Anao sendra nandalo tamin'izay
Toy ny maraina vao no nahatongavaNao
Ny foko izay nisendaotra nampanginiNao.

Misaotra Anao, misaotra Anao be dia be
Ianao ihany no mahita sy mandre
Ny alahelo mivesatra ao am-ponay ao
Fantatrao dia fantatrao izany.

Isaorako Anao ry Namana iray
Isaorako Anao nampianatra anay
Hifankatia tahaky ny itiavaNao anay
Ny fo izay nisendaotra nampangininay.

Isaorako Anao ny andro lehibe
Isaorako Anao izay tonga nanome
Fijery vaovao manomboka anio
Ity foko adaladala mantsy efa voadio.


Tonony sy feony : Kelly Rajerison
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kelly Rajerison
Vangy : 3311
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/11/2013 23:32
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266