Aiza ho aiza (Kelly Rajerison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ho aiza ireo voady niaraha-natao ?
Apetrao amin'izay.
Aiza ho aiza ary zao no mba misy anareo ?
Mba lazao aminay.

Fa efa ela aho no niandry
Tsy sahy nandao intsony aho
F'efa ela aho no niandry

Mbola misy ve ny azo antenaina aminao
Mba lazao rahatrizay.
Izay tia kely, tia tena, tia mangoro-karena
Mba ovay amin'izay.

F'efa ela aho no niandry
Tsy sahy nandao intsony aho
F'efa ela aho no niandry

Aiza ho aiza ary izao no fipetrak'ity
Fitiavana ho ahy
N'aiza n'aiza misy anao dia misy ahy, na ho ratsy na ho tsara
Ianao ato an-tsaina

F'efa ela aho no niandry
Tsy sahy nandao intsony aho
F'efa ela aho no niandry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kelly Rajerison
Vangy : 1193
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/07/2018 13:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152