Avelao hangina (kambana metaly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tia anao aho dia niroso nifankatia isika
Na dia manatompo aza ianao tia anao aho, ianao irery
Ankehitriny ianao dia andeha hitia olonkafa indray
Zaho sy ny fitiavako no navelanao ho irery

Tena niova tokoa ianao nanadino ny fiarahantsika
Ataoko ahoana moa fitia tsy azo terena
Tsy ho tsiniko angamba raha tsy miafy any aminao aho
Na de mafy lotra izany dia zakaiko ho ahy irery

Avelao hangina (2) tsy hitomany anao intsony
Sy hangetaheta indray lay fitiavantsika indray
Avelao hangina (2) tsy hiandry anao hiantso intsony
Zay nataoko taminao dia... fitiavana

Na dia nisy ny fikasana ny ho eo rahatrizay
Atao veloma izy tsy hiverina intsony
Ny fitiavako angamba tena diso ny lalany
Fa ny anao efa manatandrify tsy tsara raha arahina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kambana metaly
Vangy : 1037
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 09/01/2019 21:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749