Tavela (Jyunii)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nekeko, nataoko am-poko tsy an-kihafy
Efa nomeko jiaby
Efa nekeko, hoe anao irery dia ho mandrakizay doria
Nefa toa nofy ihany
Hoe indray andro any avereno ilay fitiavako ary
Toa zary nisy banga tokoa ny toeranao

Asa angamba tsy mendrika ny ho tiavina
Eny mba nanantena hafaliana ho tiavina
Raha hampionona ny foko aho
Tsy haiko hoe hankaiza fa tsy hitoloko aho

Ka atrakao ny loha fa izaho lehilahy
Na dia lavinao ka tavela

Misy banga anatiko ato
Io toeranao anie ry aiko
Variana ka tsy hitanao nefa
Na adala aza aho nihafy ho anao
Tsy nataoko hitanao ireny,
Malala, izaho hanoratra ho anao

Asa angamba tsy mendrika ny ho tiavina
Eny mba nanantena hafaliana ho tiavina
Raha hampionona ny foko aho
Tsy haiko hoe hankaiza fa tsy hitoloko aho
Ka atrakao ny loha fa izaho lehilahy
Na dia lavinao ka tavela

Asa angamba tsy mendrika ny ho tiavina
Eny mba nanantena hafaliana ho tiavina
Toa voafitaka nefa fitia no tadiavina
Raha mbola hisy ohatr’zay tena aoka marina
Ka hoy aho hoe

Ka atrakao ny loha fa ianao lehilahy
Na dia lavinao ka tavela
Na dia lavinao ka tavela
--------
Rohy:
Hevitra
madavonjyr ( 02/05/2020 11:38)
Jyunii mlay be
madavonjyr ( 02/05/2020 11:40)
Nefa tonofy iany
madavonjyr ( 02/05/2020 11:42)
Misy banga anatiko ato
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jyunii
Vangy : 2417
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/05/2019 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2882