Vonimboahirana (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vonimboahirana an-dranomaria,
avela hiroboka izay tena tia;
f'izahay tsy mba zatra mahay milomano,
ka sao rendrik' ao ka mahita angano.

Natao ny fitiavako ho volamena,
ka ho sahy sedra tsy lefin'asidra.
Nampoiziko ho tovony ho sahy fanekena,
kinanjo kanosa e,tsy mba tia gidragidra.

Ny samy hafa foko tsy miray volo,
angidina ianao re f' izaho kosa lolo:
ny iray any an-kady, ny iray an-tendron-kazo.
Ny iray any an-kady, ny iray ery an-tendron-kazo,
dia tapaka io fa tsy mifankahazo,
dia tapaka io fa tsy mifankahazo...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Justin RAJORO
Vangy : 1553
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : elonty
Daty : 09/05/2017 19:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6344