Ny Vakanay (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avy taiza 'zato ianareo ?,
avy tany amoron'ny ala.
Naninona tany amoron'ny ala ?,
nanefy vilany bonaika.
Atao inona vilany bonaika ?,
hametrahan-tohontantely.
Atao inona tohontantely ?,
hotsetsefin'ny Telonohorefy.

Mba homba anareo 'zahay,hiarak'hitady ny soa ;
very vakan'izahay ka andraso kely aloha.
Vakan'inona lazao,efa tonta sa vaovao ?,
tena vao dia vao tokoa,jijikely soa dia soa.
Hitanay tary ho ary, tsy navela hankety !
Kilalaoko tsy omeko an-drî, kilalaoko tsy omeko an-drî,
aok'etsy dia aok'etsy.

Hitanay ihany ny vakanay ;
lasa omaly ka tonga indray ;
nozonin-k'hofaty vao ela velona,
lazaina tsy hita vao 'ty mitranga.

Midira midira ny akanganay,
lasa omaly ka tonga indray ;
nozonin-k'hofaty vao ela velona,
lazaina tsy hita vao 'ty mitranga.

Midira midira ny akanganay,
lasa omaly ka tonga indray,
lasa omaly ka tonga indray...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Justin RAJORO
Vangy : 1360
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : elonty
Daty : 09/05/2017 19:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759