Boky rovitra (Joy Lah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia nataonao fanahy inina ve ?
Sady ianao mbola be famaliana be !

Vitanao !
Nanatsatoka antsy ahy avy any aoriana nefa izaho efa natoky
Hoe ianao !
Ilay hanoratra tantara hiaraka amiko hameno ilay boky
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
Zaho tsy nety nino hoe ianao no nahavita
Fakam-panahy no betsaka tsy ianao no maditra

Aleo ny pejy tsy avadika fa tonga dia rovitina
Ny olona diso hono anie matetika be kizitina
Satria ve za tia ?
Dia noheverinao fa jamba
Ka tsy hahita ny ataonao any ambadika any angamba
Ny tampoka kay lesy tsy mahalehilahy
Dia nataonao fanahy ininaa ve ?
Sady ianao mbola be famaliana be !

Vitanao !
Nanatsatoka antsy ahy avy any aoriana nefa izaho efa natoky
Hoe ianao !
Ilay hanoratra tantara hiaraka amiko hameno ilay boky
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
Zaho tsy nety nino hoe ianao no nahavita
Fakam-panahy no betsaka tsy ianao no maditra

Ny akanjo ve tsy ho anaovako na maloto aza nefa tiko ?
Ny fijangajangana anie anisan'ny fahotana tena maharikoriko
Tsisy mangidy tsy andramana fa rehefa tsy zaka aleo arora
Lefon'olon-tiana ve manindrona tsy harary ?
Fa ny tiako anie dia aleo aloha 'zaho mba ho irery !
Dia nataonao fanahy iniana ve ?
Sady ianao mbola be famaliana be !


Vitanao !
Nanatsatoka antsy ahy avy any aoriana nefa izaho efa natoky
Hoe ianao !
Ilay hanoratra tantara hiaraka amiko hameno ilay boky
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
Zaho tsy nety nino hoe ianao no nahavita
Fakam-panahy no betsaka tsy ianao no maditra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joy Lah
Vangy : 1733
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/07/2016 19:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838