Tombokavatsa (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Indro efa vita tombokavatsa eo am-pelatanako ianao,ary ny mandanao dia eo imasoko mandrakariva)

Jehovah nandefa ny teniny anao hanasitrana anay e
Fa tsara ianao o , sady mpanao ny tsara e
Fa fitiavana mandrakizay no , nitiavanao anay e
Dia izany no nampiaretanao ho famindram-ponao

Refrain:
Fa indro efa vita tombokavatsa an-tananao zahay
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ambany elatrao isan’andro isan’andro hanambinanao anay e
Fahasoavana mandrakizay no nolazanao taminay
(in-2)

Lazainao ny fahamarinana , fa raha hino izahay e
Hahita voninahitra e , Handray valim-bavaka e
Fa tahaka ny hanambinanao ny fanahy izay ao anatinay e
Fitahiana tretrika e , salama tanteraka e

Refrain:
Fa indro efa vita tombokavatsa an-tananao zahay
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ambany elatrao isan’andro isan’andro hanambinanao anay e
Fahasoavana mandrakizay no nolazanao taminay
(in-2)

Jehovah nandefa ny teny fikasana ho anay e
Fa zanaka tianao o , tsy foiny ianao , tsy ariana e
Fa malala eo imasonao , no iantsoanao anay e
Am-ponao tanteraka , Am-ponao tanteraka e


Refrain:
Fa indro efa vita tombokavatsa an-tananao zahay
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ka tsy misy maharombaka e (tsy misy maharomboka e)
Ambany elatrao isan’andro isan’andro hanambinanao anay e
Fahasoavana mandrakizay no nolazainao taminay
(in-2)



Jesosy o (in-4)
Miankohoka aho (in-4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 5888
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Matiasy Le Seul
Daty : 14/01/2018 17:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3207