You are here: home > Tononkira > Joseph d'Af

Rahoviana (Joseph d'Af)

Isan'andro isan'andro
Dia Miantso ny Ray
Hoe nankaiza moa 'zay zanako izay
Isan'andro isan'andro
Ny famindram-pony
Ianao anie ka tsy afaka ao am-pony

Fa ianao no tsy nety
Hoe handao vetivety
F'izy anie nanomana fety
Tsy hoe tsy nahalala
Tsy zanak'adala
Fa ninia ianao nivoka ny vala
Fa ianao tena tiany
Tsy foiny,tsy ariany
'zany anie no antony niaviany
Fa raha ho avy ny andro hiverenanao
Fety anie ny ao an-trano ao

Rahoviana ianao vao ho avy
Rahoviana ianao vao mba hodyTsiky dia ampy
Rahoviana fa ny Tompo efa sasatra miandry
Miandry ny Dadanao

Rahoviana ianao vao ho avy
Rahoviana ianao vao mba hody
Rahoviana fa ny Tompo efa sasatra miandry
Miandry ny Dadanao

Dia nalefan'ny Ray,'lay Tokana Iray
Jesosy anie 'lay Izy hatrizay
Tonga Izy hitady
Sy hamonjy ny very
Fa raha mody ianao tsy mandeha irery
Fa ianao mila mino,Jesosy ilay hilo
F'Izy anie n lalan'ny mino

Dia nalefan'ny Ray,'lay Tokana Iray
Jesosy anie 'lay Izy hatrizay
Tonga Izy hitady
Sy hamonjy ny very
Fa raha mody ianao

Hevitra mandeha

nahfyih2018 (26/07/2018 20:22:11)

tsar b

vivaldi18 (24/07/2018 12:02:57)

Met b

vivaldi18 (24/07/2018 12:02:03)

Tsara ka,

navwely (11/05/2018 14:31:39)

Tsara be

mhyre (13/11/2017 11:35:48)

tena tsara be

fanasinarmith (08/11/2017 19:24:43)

tsara le hira kam

hery (18/05/2017 16:49:40)

Ilay fihira koa tsara

NAMBSDOLLY (20/04/2017 18:44:40)

tena tiko.... mahatong saina tsra mits

ktolotriniaina2016 (15/08/2016 06:29:43)

milay ne e!

jock (01/08/2016 07:07:55)

Zany ka hira. Tena tsara, Tena tsara e!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Joseph d'Af
Mpamaky : 54382
Mpakafy : 27 Ankafizo
Nampidirin'i : Htax
Tamin'ny : 22/10/2015 09:59:54
ID : 7801

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo