NY ANTON’NY HIRAKO (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitry ny fahatsarana ! Hihira ho anao aho.

Feno anao ny vavako, mipololotra avy ao am-po
Ny Anaranao no asandratro
Hihira aho ny herinao , nanosotra ahy hitory anao
Hitondra avo ny anaranao
Haleloia, haleloia,tsara Ianao
Haleloia, haleloia, tsara Ianao

Ny anton'ny hirako sy fahavelomako
Dia Ianao ry Ray, mandrakizay
Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia Ianao, Ianao tokoa.

Andry iankinan’ny foko, vetson’ny fanahiko
Ny anaranao mamelona ahy.
Ny fahagagana vitanao, ny zava-drehetra hainao atao
Tsy haiko ny tsy hihira ho Anao
Haleloia, haleloia, mendrika
Haleloia, haleloia, mendrika

Ny anton'ny hirako, fahavelomako
Dia ho Anao ry Ray, mandrakizay
Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia Ianao, ho Anao tokoa

Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia ho Anao, Anao tokoa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 27797
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : yann.mamy
Daty : 14/04/2014 09:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996