Madagasikara ho an'i Kristy (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Madagasikara e, ho anao 'ty vazo 'ty
Firenena tsara e, am-po an'i Jesôsy
'Lay Zanaky ny Avo, fa nanolotra ny ainy
Ho famonjena ny tany
Ho resahako manokana eto
Ho singaniko manokana eto, Madagasikara

Madagasikara e, miorena
Dia aza mety ho rebireben'i satana
Fihavanana tandrovy, atsaharo koa ny ady
Mifankatiava ry mpianankavy
Fa fianakaviana iray isiaka
Ao amin'ny Kristy

Ref:Ho tahiana hianao raha miditra e
Ho tahiana hianao raha mivoaka
Ho tahiana anie ny malagasy, mpitondra na ny vahoaka
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika rehetra
Ka ho fitahiana ihany koa ho an'ny firenen-kafa

ho tahiana hianao raha mivoaka
Ho tahiana anie ny malagasy, mpitondra na ny vahoaka
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika rehetra
Ka ho fitahiana ihany koa ho an'ny firenen-kafa

Mandrenesa e, Madagasikara x 2
Fifohazam-panahy ho an'i Madagasikara
Tahin'ny Tompo e, Madagasikara
Fiadanan'ny Tompo e, Madagasikara
Madagasikara e, Madagasikara x 4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 3487
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : maherydolce
Daty : 25/04/2018 13:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716