You are here: home > Tononkira > Joseph d'Af

Ianao no Andriamanitro (ft. Antsa an'i Kristy) (Joseph d'Af)

Masina, masina,
Ny anaranao no masina
Be indrafo sy mahari-po
Ianao no Andriamanitro

Mendrika, mendrika,
Ny anaranao dia mendrika
‘Zaho ‘lay mpanota natsanganao
Ho zanakao malalanao

Izay no antony ilazako
Ianao ho ahy izaho ho Anao
Itambaran’ny fo roa
Itambatra ho iray

Ny anaranao no ho deraiko
Ny anaranao no hankalazaiko
Misandrata Jeso … misandrata Jeso
Tompo malala

Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra

Fitiavana … fitiavana
Andriamanitra dia fitiavana
Be indrafo sy mahari-po
Ianao no Andriamanitro

Izay tononkira.serasera.orgno antony ilazako
Ianao ho ahy izaho ho Anao
Itambaran’ny fo roa
Itambatra ho iray

Ny anaranao no ho deraiko
Ny anaranao no hankalazaiko
Misandrata Jeso … misandrata Jeso
Tompo malala

Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra

Izaho no ampakarina
Ianao no mpampakatra
Mbola hatambatra ho iray
Rehefa any amin’ny mandrakizay

Izay no antony ilazako
Izaho anao, Ianao ho ahy
Satria feno ny tontoloko
Noho ny fitiavanao

… Interlude

Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra


Hevitra mandeha

randys102 (01/06/2016 12:45:33)

Mba mba mangataka, raha mety mba hira structuré avoaka dia mba tsy sahirana ny olona te hihira (mariage, animation évangélique, ...)

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Joseph d'Af
Mpamaky : 7992
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : randys102
Tamin'ny : 01/06/2016 12:15:52
ID : 8568

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo