You are here: home > Tononkira > Joseph d'Af

Fanangonana (Joseph d'Af)

Mino aho f’efa ho avy ny andro iray
Izaho sy ianao mbola ho tafahaona indray
Tsy eto an-tany fa ao an-tranon’ ny Ray
Eo anilan’ Ilay Mandrakizay
Hitodi-doha ny mino rehetra ety
Hiara-hizotra dia hiroso ny dia
Izaho sy ianao ilay hampakarina e !
Izy no Ilay Mpampakatra e !

Refrain (x2)
Dia Jesosy no hitsena antsika any e !
Mariazin’ ny fiangonana e !
Hoavy Izy e ! tsy andriko e !
Hoavy ny fanjavonana e !

Ho gaga avokoa re ny fiarahamonina
Natononkira.serasera.orgnkaiza izy teo no tsy taza monina a !
Toa tampoka teo dia fanjavonany e !
Andron’ ny fanangonana e !
Mailomailo rafanjakan’ ny tany
Izao tontolo izao dia ho ambony ambany
Izahay raha handeha
tsy mba hiera aminao zany e !

Refrain (x2)
Dia Jesosy no hitsena antsika any e !
Mariazin’ ny fiangonana e !
Hoavy Izy e ! tsy andriko e !
Hoavy ny fanjavonana e !

Malalany aho ka tsy havelany e !
Sakaizany aho ka tsy foiny e !

Hoavy ny fanjavonana e !

Hoavy ny fanangonana e !

Hevitra mandeha

Iron_man (19/08/2017 23:19:07)

Nandefa fanitsiana mahakasika ity tononkira iray ity aho fa tsy fantatro raha afaka manampy izay mila azy ny fanitsiana natao. Misaotra

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Joseph d'Af
Mpamaky : 3841
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : NamanaoKristiana
Tamin'ny : 02/04/2016 11:03:07
ID : 8215

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo