NY FISIANAO (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy afaka an-tsaiko
Tsy afaka an-tsaiko
Ny Antsonao
Nifidy ahy Ray
Tsaroan'ny aiko
Tsaroan'ny aiko
Ny naha mpitory ny Hafatrao ahy

Faly aho manana anjara
Faly aho fa voafidinao
Satria tsisy asa tsara
Noho ny fitoriana Anao
Na dia sarotra sy mafy
Nahakivy indraindray
Ny fisianao dia ampy
Nanatanjaka, nanohana ahy

Tsy hohadinoiko
Tsy hohadinoiko
Ny tombon'andro
Nomenao ahy Ray
Tena tsaroako
Tena tsaroako
Isaorako Anao mandrakizay

Faly aho manana anjara
...

Toa vao omaly
Toa vao omaly
Ny tsorakazo
Izay nifanesy
Nefa nahafaly
Nefa nahafaly
Fa niova ho hery nentiko nandresy

Faly aho manana anjara
...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 923
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jordanasyzoara
Daty : 21/08/2015 01:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728