NOELIM-PITSIKIANA (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jamba ny fo indraindray
Jembin'ireo fahoriana
Ory ny fo raha mahatsiahy
Ireo oram-pijaliana
Kotsa ny maso indraindray
Kotsan'ny oram-pahavaratra
Sina sy mangaihay
Tsy mahita alahatra

Ho anao mamoy fo
O! mba jereo sy todiho
Jeso hanala ny manjo
Tonga ho anao anio
Tsy ho alahelo intsony
Ary tsy famoizam-po
Fa Noely mampitony
Hampitraka indray ny loha

Tsy ho ranomaso mahamay
Ny Noelintsika izao
Fa ho Noelim-pitsikiana indray
Hitondra aina vaovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 998
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tolorantsoa
Daty : 21/12/2014 22:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1347