MBA RAISO (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Varian'ny rendrarendra sy lalao koa
Ka ninia nandao anao
Tsy nihevitra akory izay mety iafaran'ny fiainako aho

Nefa na mpanota ary aho
Tsy mba navelanao ho very
Na dia solafaka
Dia novontosanao hery
Ka mitalaho anie
Mba mamelà Ray Mahery

Noharianao ho soa, nomenao ahy ny aina
Saina ihany koa
Nefa tsy nahay nifidy ny lalana izay tokony alehako aho

Nefa na mpanota ary aho...
...
Mba mamelà Ray Mahery

Indro atolotro izao
Ny tenako raha sitrakao
Mba raiso ho anao
Ho isan'ireo mpanomponao
Ka ho mpandova ny lanitra efa nomaninao

Ka ho mpandova ny lanitra efa nomaninao

Ka ho mpandova ny lanitra efa nomaninao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 752
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jordana
Daty : 13/01/2019 08:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2618