MANGINA! MITSAHARA! (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ianao, O ianao te ho tonga, tonga vatolampy
Vato tsara, tsara sady mafy
Mahareta tsara, mijoroa, mijoroa
O ianao, O ianao te hitoetra n'inona midona
Hiorim-paka mafy tsy hirona
O mahareta, mivavaha tokoa

Aza mierikerika ary aza mba variana
Itokio fa Andriamanitra Izy
Tompo tsy miova
O maharesy loza
Tompon'aina, Tompo tsara
O banjino, O jereo
Ilay Tomponao Mahery
Nampangina ny tafiotra Izy
Sady koa niteny ireo onja ombieny ombieny
Hoe: ''Mangina! Mitsahara!"

O ianao, O ianao nilaozan'olon-tiana ka toa very
Namana rehetra toa miery
Misy anankiray, sakaizanao tsy mandao
O ianao, O ianao toa voaeso sy voalatsa foana
Mila handositra ny fanompoana
O misy anankiray izay tsy mandao

Aza mierikerika...
...
Sady koa nandrara ireo onja nisamboara
Hoe:"Mangina! Mitsahara!"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 865
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jordana
Daty : 13/01/2019 08:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758