LAFATRA (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay tontolo hitan'ny masoko
Sy izay rehetra omenao iainako
Dia ampy haneho ny hatsaranao indray
Sy hanamafy ny herinao ry Ray

Lafatra loatra ny asa-tananao
Mendrika indrindra ny fitiavanao
Mamiratra ety ny voninahitrao
Ka tsy hisy afaka hilaza
Na dia iray aza
Fa ambony noho ianao

Hiadana aho Ray O! raha omenao fitia
Mahatsiaro very aho raha lavitra Anao
Satria Ianao no reharehako ety
K'azony aho hitoetra anilanao

Lafatra loatra ny asa-tananao
Mendrika indrindra ny fitiavanao
Mamiratra ety ny voninahitrao
Ka tsy hisy afaka hilaza
Na dia iray aza
Fa ambony noho ianao

Lafatra loatra ny asa-tananao
Mendrika indrindra ny fitiavanao
Mamiratra ety ny voninahitrao
Ka tsy hisy afaka hilaza
Na dia iray aza
Fa ambony noho ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 1790
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tolorantsoa
Daty : 25/06/2013 08:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734