ADALA ETO AN-TANY (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Esoina ho malemy;
Lazaina fa osa.
Izaho hono tsy ampy hery;
Izaho hono kanosa.
Lazaina fa adala;
Jamba tsy mahita.
Izy hono tsy mahalala
Izay Andriamanitra tsy hita.

Mirehareha, fa izy no tompon'ny harena
Mihebohebo,fa hoe tompon'ny fahendrena

O! tsy te hahalala ny ampitso sy ny ho aviny
Mifidy sahady ny helo; ka ny Tompo ny laviny

Na verezina zo;
Nahilika indraindray.
Sambatra aho fa miankin-doha
Amin'ilay Mpiaro ahy.
Lazaina fa adala;
Jamba tsy mahita.
Ampy ahy ny mahalala
Fa Jeso no Paradisa.

Hay ve ka hery;
Ilay nolazaina ho "halemena".
Ny "adalana";
Hay ve ka tena fahendrena.

Satria amiko; ato amiko fiainako ny Ray
Ka ny eso sy ny latsa; vao lova tsara ho ahy.

Satroboninahitra ho ahy ny fahendreko;
Satria manana ny Tompo aho; Ilay tanjako sy hareko.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 1830
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tolorana
Daty : 21/11/2012 09:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2086