Ampitampitao (Jomak'Ampama)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ieee (x8)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao fa izany no ilaina
Dia ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
Tsy misy mitsoaka
Tsy misy mitsoaka

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa tsy mitsoaka fa hihinana
(Marina e)
Ampahafantarina ary ny vahoaka
Ireo miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)

An'iza ny basy, an'iza ny angady
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ary izany, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

Ieee (x8)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Izany no hevitra (ka lazaina)
Ampahafantarina ary ny vahoaka
Satria ny zatra nilanja angady
Dia ny vahoaka (no heriny)
Dia ny vahoaka (no heriny)
Dia ny vahoaka aaa

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Isika miraikitra (tsy dia maninona)
Fa hery kely no an'ny vahoaka
Satria ny marina no hajoro
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)

An'iza ny basy, an'iza ny angady
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ary izany, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

Ieee (x8)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny vola no lasa (tsy dia maninona)
Ny vola tsy miantoka fitondrana
Ny fanjakana no manambola
Dia ny vahoaka (no miantoka)
Dia ny vahoaka (no miantoka)
Dia ny vahoaka aaa!

An'iza ny basy, an'iza ny angady
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ary izany, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

Ieee (x8)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao fa izany no ilaina
Dia Ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
tsy misy mitsoaka
tsy misy mitsoaka

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa tsy mitsoaka fa hihinana (Marina e)
Ampahafantarina ary ny vahoaka
Ireo miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka aaa

An'iza ny basy, an'iza ny angady
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ary izany, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

Ieee (x8)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava amin'ny namako any
ho an'ny vahoaka ny tolona
Tsy maintsy mandresy ny tolona
Satria ny vahoaka mitolona
Tsy maintsy mandresy ny tolona?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jomak'Ampama
Vangy : 6616
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 5laody
Daty : 01/07/2014 13:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113