Mangatsiaka (John Oabmar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro anao indray
Manembom-pitia
Nefa ao anaty ao
Mangatsiaka

Tsy leo manontany
Manahy ihany angamba aho
Sao dia tsy ho hitanao
Nefa efa tia

Endaho vetivety
Ario ny sentonao
Dia raiso ary andramo
Fa tanan-droa no omeko anao
Omeo toky kely aho
Fa tsy hanapoizina anao
Ny omaly efa lasa
Sady efa nandratra
Mihirata amin'izay
Fa ny aiko no efa omeko anao

Mijery ahy ianao
Kanefa indraindray
Tsy izaho no hitanao
Fa ilay iray

Fa angaha mbola tia e ?
Fa tsy efa nialàny ve ianao ?
Tsarovy aho fa eto
Tsy handao

Endaho vetivety
Ario ny sentonao
Dia raiso ary andramo
Fa tanan-droa no omeko anao
Omeo toky kely aho
Fa tsy hanapoizina anao
Ny omaly efa lasa
Sady efa nandratra
Mihirata amin'izay
Fa ny aiko no efa omeko anao
Mihirata amin'izay
Fa ny aiko no efa omeko anao
Mihirata amin'izay
Fa ny aiko no efa omeko anao

Mahatsiaro anao indray
Manombom-pitia
Nefa ao anaty ao
Mangatsiaka

Tonony sy feony : John Oabmar
© Febroary 2015. Hira tsotra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : John Oabmar
Vangy : 3956
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/02/2015 08:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099