Andao hihaona (Johasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitry ny safosafo, ireo teny mamelona ny afo
Toa ela no efa tsy hita maso, toa matory ny fony
Lasa ny eritreritra, ny fanahy, ny aminao sy momba ahy
Raha nifanojo ilay nofintsika hatrizay, ho iray

Raha toa izaho manontany hoe nahoana
No dia milaza fa tsy manam-potoana
Mitady fatratra hoe andao mba hihaona, hihaona

Manondrika ny lohako, ankiniko amin'ny Ray tsitoha
Nanome ahy fitiavana ka sahy, ho tia hatrany hatrany
Lasa ny fisainako hoe rahoviana no handray ny fifaliana
Avy aminao ilay sakaizako, ilay fototry ny faniriana

Raha toa izaho manontany hoe nahoana
No dia milaza fa tsy manam-potoana
Mitady fatratra hoe andao mba hihaona, hihaona

Hiaraka isika, hanamboatra ny tsy vita
Hikolo hatrany ilay fitiavana mamy
Hitombo ny fahafinaretantsika roa
Ka tsisy tomany ka hiafara tsara koa

Raha toa izaho manontany hoe nahoana
No dia milaza fa tsy manam-potoana
Mitady fatratra hoe andao mba hihaona, hihaona

Matoa izaho mitalaho, tia hiaraka hilalao e
Nanao izao hira izao, hampijoro indray ny fitiavanao e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johasina
Vangy : 1141
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/09/2018 12:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113