Hanalavitra anao (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny endrikao mamiratra toa mahalasa saina
Ny hanalavitra anao tsy ahavelona ahy
Fa voahozon-kitia anao ve zaho sa ahoana
Efa olon-kafa no hitsikianao mbola ianao foana
Gadra anao ilay foko ao
Nomeko anao ilay fitiavako
Fa tsy ho voasoloko n'oviana n'oviana
Lay toerana nindramiko

Hanalavitra anao oa zah
Na mety alahelo anao ary zah any
Ny foko tsy hiova hitahiry ireo vita
Nilentika teo lay masoandro efa hiva
Hanalavitra anao oa zah
Na misy fitia aza any ..Any aminao
Aleo zaho hitia mangina anao

Ny antsika voafetra ny fotoana
Ny tsiky omenao ahy de lasa sarisary foana
Ny tananao mitantana ahy fa ny fonao mbola mitempo ho azy
Ny saiko mitady ho sahy
Fa ny foko no mahatsiaro marary
Mila tsy ho zakan'ny heritreritro fa zay ataonao de toa mampijaly
Ny antsika tantara vao niandoha
Dia tapitra sahady

Ref ---------------×-----------------
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johane
Vangy : 12844
Mpankafy : 7 Ankafizo
Nampiditra : judicael18
Daty : 12/08/2018 14:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744