Feno fitia (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa zatra nahita anao zaho
Tsisy raha manjary koa tsisy anao
Efa zatra tankilanao
Raha tsisy anao mitanila zaho
Fiadanana tsy hisy
Ngamba efa zatra anao marina
Mafy mahazo zaho, koa zah tsy mahita anao
Ny tsiaro manenjika ahy, tsy miala ao an-dohako ao
Fa raha mody ianao dia sahiko ny milaza,
Sahiko ny milaza fa voky fitiavana aho

Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina
Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina

Ny hambom-poko avelako ho any, fa zao
Handefitra aho manomboka androany, ho anao
Raha miady isika izaho no hifona voaloha
tsy avelako ianao no handeha hiasa loha
Karakaraiko ho sambatra ianao
Satria tena tojo ny lafatra zaho
Mafy mahazo zaho, koa zah tsy mahita anao
Ny tsiaro manenjika ahy, tsy miala ao an-dohako ao
Fa raha mody ianao dia sahiko ny milaza
Sahiko ny milaza fa voky fitiavana aho

Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina
Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina

Efa zatra nahita anao zaho
Tsisy raha manjary koa tsisy anao
Efa zatra tankilanao
Raha tsisy anao mitanila zaho
Fiadanana tsy hisy
Ngamba efa zatra anao marina
Voky fitiavana

Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina
Mahatsapa aho fa voky fitiavana marina
Tsy tana aho fa mihatafiditra lalina
Voky fitiavana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johane
Vangy : 4754
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/05/2019 08:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1729