MANANA ANAO (Pasteur Jocelyn RANJARISON)

Efa reraky ny fiainana aho
Tsy nahita izay nombana intsony
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho
Tsy haiko intsony izay natao

Soa fa tonga Ianao nanarina ahy
Nampitraka, namonjy ny fanahy
NositrTsiky dia ampyaninao ‘lay fery tato anatiko
Izay nandratra ny foko

Manana aho Tompo ô!
Fa manana Anao
Niova ny fiainako
Tompo ô! Tao Aminao

Tsy nanenina aho
Raha nandray Anao
Tsy ho toy izao ny fiainako
Raha toa tsy tao Aminao

Hevitra mandeha

NAMBSDOLLY (20/04/2017 18:48:27)

Tsy misy tsra noho ny manana an KRISTY. Manana tokoa aho JESOSY manana Anao.

belindaranaivoarivelo 2017 (10/04/2017 20:36:06)

sambatra izay mahatsiaro fa mila an'i jehovah eo @ fiainany ka tsara ilay tononkira

yash andrian (12/02/2017 10:38:33)

tiko be

nivo2016 (22/11/2016 18:45:46)

Tsara ny miaraka amtompo.

FARASOA1 (28/09/2016 11:31:16)

Hafa ihany ny manana an'Andriamanitra ho toky sy Mpamonjy eo @ fiainana. Mankasitraka an'ilay tononkira fa tsara be ilay toniny.

haingorandrenjarivo (20/05/2016 20:01:27)

tena mandona fo ilay tononkira, rahats teo ianao Tompo d zavapoana ny antopisianay

onjaniaina2016 (21/04/2016 21:34:15)

ts misy fahasambarana marina sy matez ra ts ao @Tompo rery iany

njara3 (19/11/2015 08:48:51)

miteny b lay tonokira

setrahertsu (19/11/2015 00:52:04)

Tsara sy mahasambatra mandrakizay ny fananana an'i Jehovah ho Andriamanitra

ninalisoa (21/10/2015 09:03:22)

Ny tena harena indridra dia ny manana ny tompo eo @ fiainany.

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Pasteur Jocelyn RANJARISON
Mpamaky : 28432
Mpakafy : 12 Ankafizo
Nampidirin'i : zokelia
Tamin'ny : 24/02/2014 09:32:11
ID : 6478

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo