Raha lavitra anao aho (Jocelin RANJARISON)
Mpihira : Jocelin RANJARISONMpamaky : 1925
Nampidirin'i : rijatsif
Tamin'ny : 28/09/2005 17:01:21
ID : 3289 Raha lavitra anao aho, dia ho feno ahiahy
Raha lavitra anao aho, hanjakan’ny tahotra
Raha toa ka tsy eo ianao, hiady irery foana aho
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao. (indroa)
Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.
Fa tsara indrindra tokoa izany hoe akaikinao
Soa tsy manam-paharoa ary fiainam-baovao
Tsy hamoizako anao raha izao tontolo izao
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.
Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.
Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao...