Anjakao (Jim praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
#Anjakao

Jim:
Anio no hanolorako, tena ho Anao Ray
handraisako ny ho aviko
ho fiainam-baovao
hamafa fahotana sy handraisam-pamelana
anio no hanekeko mba, ho ateraka indray

Rojo:
Eny Ray o, maro ireo vitako hatrizay
mbola velona aho, satria tia ahy Ianao
raiso aho Ray o, fa mpanota tsy mba mendrika
ka aza Avelanao isaraka Aminao

Refrain:
hatolotra ho Anao, izao ny tenako
indro homeko Anao, ny foko #Anjakao
hihira ho Anao, mandrakizay
hanandram-peo sy hikalo, ho Fiderana Anao

Jim:
Navelanao handray aho, ny Tenanao rehetra
tamin'ny Fitiavana izay tsy takatriny saina
Nohenoinao ny Zanakao, fa mendrika fitia
Ray malala o, izaho tsy hivadika ho doria

Rojo:
Anio aho, hanao ireo dina Aminao
fa tsy hanadino
ilay Hatsaranao
hanaiky hiala, izay rehetra mety ho fahotana
fa Fitiavana, Finoana , sy Fanantenana

Refrain:
....
#Anjakao
Jim-praire ft Rojo (Ny avo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jim praise
Vangy : 1612
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : razanadraibejimmy
Daty : 29/05/2015 19:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757