Satria tiako ianao (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sahinao ny mampijaly ny fitiavako
Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sahinao ny mampahory ny tantarako
Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sitrakao fahoriana angaha no anjarako
Satria efa nolazaiko anao
Izay niafina tao am-poko tao
Fa ianao ianao irery
No tiako ho tiako ho doria
Eny ianao

Nefa izao
Lavitra ahy ianao
Saingy tsy mety mangina
Ny foko tia anao
Averiko indray
Ny dina hatrizay
Sao mety ho fara-veloma izao hirako izao

Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sahinao ny mampijaly ny fitiavako
Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sahinao ny mampahory ny tantarako
Satria tiako ianao (Satria tiako ianao)
Dia sitrakao fahoriana angaha no anjarako
Satria efa nolazaiko anao
Izay niafina tao am-poko tao
Fa ianao ianao irery
No tiako ho tiako ho doria
Eny ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jérôme Randria
Vangy : 10076
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 22/01/2014 21:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124