FITIAVAKO IANAO (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa nofinofy ihany ny fotoana mamy nahitàko anao
nambabo ny fanahy sy nanintona ahy mba ho tia anao
nidiboka ny fo atao ahoana moa no nilàza izany ianao
ianao izay vahiny izay vetivety iny moa ifanomezan-tsiny
saingy hatrizay dia mivaivay hafa taminao
am-bolana aman-taona mitempo ao foana
FITIAVAKO IANAO

tsy fantatro mihintsy izaho tia anao
ny fiainako tsy misy raha toa tsy nisy anao
tsy fantatro ny marina manadàla ahy toy izao
tsy ilaiko ho fantarina izaho tia anao

ny ora-mikoriana ny alina mangina izaho nitady anao
ny ho avy tsy ho voafetra ny ampitsoko rehetra efa lasanao
raha toa tsy an-tsafidy ka mafy sy mangidy ny ao ambadika ao
raha sanatria izany zakaiko hatrany hatrany moa mateza ny tomany
mivavaka aho mazàna hatrany am-piasàna eny ho anao
ny saiko tsy mirona na inona hidona
FITIAVAKO IANAO

tsy fantatro mihintsy izaho tia anao
ny fiainako tsy misy raha toa tsy misy anao
tsy fantatro ny marina manadàla ahy toy izao
tsy ilaiko ho fantarina izaho tia ano

omeo fitiavana aho fa tiako ianao
lzao fitiavana aho f’izaho tia anao
ambarao fitiavana aho fa mamiko ianao
FITIAVAKO IANAO @ izao tontolo izao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jérôme Randria
Vangy : 5073
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 21/06/2006 11:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123