Ankamaroan'ny naoty (Jean Luc Rahaga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ankamaroan’ny naoty azo @ piano
Hira kely iny fotsiny dia azo alefa radio
Vazom-borona niainga natokako ho anao
Amin’ny bande magnètique hilazako an’izao

Naoty vitsy natambatro ho nofy
Hirariako anao foana ho salama tsy harofy
katrikatry kely aho no nandika an’izany
Fa homeko anao ny revy ts’hita lany

REF :Tiako ianao,tiako ianao
Nefa atao ahoana moa
Ny masoandro hiposaka
Ny alina miandry

Tiako ianao,tiako ianao
Fa ho sarotra ihany
Mbola ho avy ny andro iray
Hifandaozana indray

Hira kely nataoko ho antsika roa
Hatsiarovako foana ireo revy be taloha
Manimanina an’ireny aho indraindray
Fa tsisy azoko atao hiverenan’indray



(Cette chanson est l’adaptation en malgache de "Quelques notes de musique" de Gilbert Montagné, adaptée par Jean Luc Rahaga).
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jean Luc Rahaga
Vangy : 2673
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/01/2004 05:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2291