Hay teo foana i Kristy (J. Ranjarison)

Mpihira : J. Ranjarison
Mpamaky : 1052
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 18/12/2011 14:19:54
ID : 6045

Imprimer Facebook Facebook
Fatra-pitady hafaliana taloha aho tamin-java-boarara
Ka notsiniako ireo loza mpahazo ahy tety an-tany.
Niraiki-po tamin'ny tany aho mandra-pianjerako nitsirara
Tamin'io indrindra anefa no niantso ahy ilay Mpiandry Tsara

Ref.
Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy


Tsy hitako intsony rendrarendra izay namitaka ahy
Haiko izao ny lalan-tsara ka hizotra aho tsy amin'ahiahy
Ny fiainako isanandro miaraka aminy dia mamy ery
o, indrisy raha fantatrao tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo