Hiverina (Isa Roa Telo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa tsy hay ho tantaraina izany hafaliako mahita anareo
Velon’aina tafahaona zay ela tsy nihaonana
Betsaka tsy tanisaina ny zavatra niseho
Nefa izany tsy nampitaraina ka ireo isika telo mbola eo

Hiverina aho hitondra aim-baovao ho ahy sy ianao
Ka alalao ny tokontany fa hiaraka isika androany

Izaho sy sianao dia hiaraka, tsy hisaraka
F’hifanaraka n’aiza n’aiza aleha
Ka andao ianareo raha handeha

Hafa ny omaly, hafa ny androany dia handao isika hiaraka hifaly
Hofenointsika hafaliana ny andro androany
Dia asio hira hatrany hatrany
Hiavaka ny fiarahana dia aleo tsy tapahana

Hiverina aho hitondra aim-baovao ho ahy sy ianao
Ka alalao ny tokontany fa hiaraka isika androany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Isa Roa Telo
Vangy : 1675
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/05/2015 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2856