Hanadino anao (Isa Roa Telo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatrao ny faniriako efa hatry ny ela izay
Raha vao nahita ny endrikao anie aho, tsy toy ny tety an-tany
Tsy naharay tena aho, nangina teo fotsiny aho
Nitsiky fotsiny aho, talanjona tsy nahateny
Ianao raha niantso hoe « avia »
Dia babonao teo ilay foko tia

Fantatrao fa tiako ianao, tsy noraharahianao
Faniriako anefa anie ny mba hotantananao
Ataoko ahoana anefa moa raha vato ny fonao
Ka ny hany fahendreko dia ny manadino anao

Niezaka aho nisarika, nisarika ny sainao
Nanova fihetsika aho, nanova fomba fitafy, toa tsy nanaitra anao
Tsotra fotsiny ihany anefa ny faniriako dia ny fitiavanao
Naniry mafy aho ny mba ho tsapanao ny fisiako
Satria ianao ilay tena tiako

Fantatrao fa tiako ianao, tsy noraharahaianao
Faniriako anefa anie mba hotantananao
Ataoko ahoana anefa moa raha vato ny fonao
Ka ny hany fahendreko dia ny manadino anao

Haiko fa tsy ho ahy ianao, ekeko ka tsy ho laviko
Ho avadiko ny pejy ka lalan-kafa indray no hodiaviko
Ny azoko atao dia ny mitso-drano anao
Izaho akory tsy hitana alahelo
Tsy hitomany aho na hitanondrika
Tsy hiverin-dalana aho fa hanadino anao

Fantatrao fa tiako ianao, tsy noraharahianao
Faniriako anefa anie mba hotantananao
Ataoko ahoana anefa moa raha vato ny fonao
Ka ny hany fahendreko dia ny manadino anao

Hanadino anao, hanadino anao aho, ouh oh oh,
Satria vato ny fonao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Isa Roa Telo
Vangy : 4991
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/05/2015 11:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7223