tanindolo (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahitana vy tao ambanin’ny tany e!
Vita ny famaky sy fitaovana hamokarana
Mbola marobe ireo tany lava volo
Maintso koa ny loko feno hazo ny tontolo

Nipoitra indray ireo kamo tsy mba te hisasatra
Nanjary famonoana ny famaky sy lefona
Tsy nisy voa firy mba nivoaka
Fa ny olona indray no voaloadoaka

S.O.S ndao vonjena ny tontolo
S.O.S sao lasa tanindolo

May ny tanety lasa efitra sy dezaka
Tsy lafo ny angady ka niova indray ho basy
Ripaky ny baomba ireo manan’aina
Zary babangoana ka mitaraina

SO.S...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iraimbilanja
Vangy : 3011
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 31/07/2002 15:18
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012