Mosoara (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avalony tsara ilay mosoara
Kotsan-dranomaso omaly hariva
Raha nilaza izy fa tsy tia anao intsony
Ary aza sasana fa tehirizo tsara
Hampatsiahivanao azy any aoriana
F’efa nisy izany, eny efa nisy

F’izao aloha henoy ny hira
Izay nataoko hamalifaly anao
Ary asio ilay feo faharoa
Mbola tsy ahafoizako anao

Tsy maintsy mbola ho avy ilay andro
Hiverenany eto indray
Sy hamerenany ireo teny maminao fahiny

Ary saino dieny izao ny havalinao azy
Amin’izay fotoana izay
Sao tonga indray ny alahelo tsy ho afaka intsony
F’izao aloha ...

Avalony tsara ilay mosoara
Kotsan-dranomaso omaly hariva
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iraimbilanja
Vangy : 29764
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotoarimanana Jean Luc dera
Daty : 09/06/2002 20:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112