Fahazavana (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty aizim-pito
Tsy nahita izay haleha
Fa niandry hazavana
Ka indro sendra famonjena

O ry kintana eny ambony
Mba tariho re ny lalanay
Ianao no hazavana
Mitaratra sy mitarika anay

Ento ho any izahay
Fa te hahita ilay zazakely
O ry kintan’ny Mpamonjy
Mamiratra, mamiratra aoka izany

O! Fahazavana
Fahazavana ho ahy
Fahazavana ho anao
Fahazavana ho antsika rehetra izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iraimbilanja
Vangy : 3599
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotoarimanana Jeana luc dera
Daty : 06/03/2003 18:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0696