Sitraponao (Inox)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hela ihany aho niandry
ilay fitiavana hoavy
naharitra foana tsy mba niangavy
fotoana lava no lany
tsy nahakivy aho izany
ny sitraponao ihany no nataoko

Hasambarana foana no nandraindraiko
ka nefa tsy izany no niseho

Ref: Fahoriana, ranomaso
no nasetrinao ny fihainako
very teo ilay masoandro nantenaiko

Nahazo toky angamba
tsy tia hahalala intsony
ny fanantenako tsy ho very
veloma hatreo ilay taloha
fa hiatrika indray ny hoavy
atao ahoana anefa moa

Tsy nampoiziko akory izany
fa hevitrao tany hoany

Ref: Fahoriana, ranomaso
no nasetrinao ny fihainako
very teo ilay masoandro nantenaiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Inox
Vangy : 740
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lola18
Daty : 12/04/2019 20:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1287