AMPANGINO (Imprimerie ADVENTISTE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampangino ny izahoko ry Tompo ô !
Ampangino hihainoako ny feonao
Fa manelingelina ny hidiranao ato am-po
Oh ! Ampangino tanteraka Tompo.

Ref :
Ianao izay neken'ny rivotra Jeso
Ianao neken'ny ranomasina
Ianao mibaiko ny afo
Oh ! Ampangino ny izahoko.

Raha mila te ho sosotra ilay izahoko
Dia teneno moramora re Tompo ô !
Mba hitandro voninahitra ho Anao irery re
Fa fihavanana no sitrakao.

Raha mila te hirehareha aho Tompo ô !
Te hanindraindra ireo talenta nomenao
Ampangino ampangino ny izaho ato am-po
Fa tsinontsinona aho re Tompo.

Raha tia fanakianana aho Tompo ô !
Fanakianana tsy mba mamokatra ho Anao
Ampangino aza avelanao hiteniteny re
F'izaho koa tsy nahavita be.

Raha levona tanteraka ny izahoko
Ka tsy izaho intsony re no velona ato am-po
Dia ny herinao anie hanosika ahy hankato
Oh tanteraho izay sitrakao Tompo !!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Imprimerie ADVENTISTE
Vangy : 920
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : yann.mamy
Daty : 08/05/2014 20:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746