Zakakely (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misamahotaka tsisy ohatr'izany tokoa
Ny olona tao an-tanàna nijery koa
Latsaka ambany izay hitsena olo-malaza
Fa vory lanona tao ny lehibe sy ny zaza
Hisy artista angaha hampirevy vahoaka e?
Sa ve raikitra ihany ilay hoe ampamoaka?
Sa daozidaozy ka tonga mba hizara vola,
Ry ingahindriana mbakandry ingahibesola
Fa toa tsy izany mihitsy no zava-niseho
Hanky va re ka Razezo no nandalo teo
Nisy mihitsy nilaza tsy nihambahamba
Hoe vao nandalo Razoky nahita ny jamba
Dia nisakoroka namonjy an'i Jesôsy
Lasa sekirita hatramin'ny mpangarompaosy
Gidra sy tolona fa samy mba te-hijery
Ilay Zanak'olona tonga hitady ny very

Fa nisy lehilahy fohy kely voahosihosy
Iza no anarany teo moa? Zakaiosy !
Niady fo aman'aina tokoa hono i papa
Mba te-hahita ka tapaka hatramin'ny kapa
Lasa nihanika ambony aviavy rangah'a
"Coucoucou Jésus ! je suis là !!!"
Midina ho'zy Ny Tompo sao mianjera eo,
Hoavy any am-bovonareo Aho rehefa avy eo
Fa Zakaiosy dia bandy mpanao bizinesy,
Tia misoloky na seky na koa esipesy
Nilaza tamin-dRazezo ity mpanao afera
Raha izy mirahalahy ndeha hifandom-bera
Izaho resy lahatra hoa fa dia ho hampireveko
Ireo mafiady ny antsasaky ny harembeko
Ireo izay nivarotako saka be loha
Ao fa honerako, honerako tokoa tokoa !
Faly sy ravo Ny Tompo raha nandre izany
Ela ny ela i Razaka ka avotra ihany ô!
Tafa ao anatin'ny lisitry ny olom-boavonjy,
I zakakely mpitoraka vato kilonjy.
Tafa ao anatin'ny lisitry ny olom-boavonjy
I zakakely mpitoraka vato kilonjy !
--------
Rohy:
Hevitra
Dahfara ( 14/06/2017 04:26)
Raha mbola vazo miteny aloha an,,aza manontany an'Ifanihy tompoko ????????????
Dahfara ( 14/06/2017 04:27)
Raha mbola vazo miteny aloha an, aza manontany an'Ifanihy tompoko ????????????
eljah01 ( 25/06/2017 00:29)
Raha mba afaka manome irony hira tropicaly irony anareo dia isaorana be dia be. Izahay tsy afaka mandika hira fahatany satria misy tsy azo indraindray ilay teny, kanefa dia anisan'ny mpankafy hira tropikaly zaho. Ohatra: Wawa, maitre Rufin, Viavy Chila, Rasoa Kininiky,.....anisan'ny tsara dia tsara ireo gadon-kira ireo, ankoatr'izay mbola tsy voatanisa ka isaorana mialoha.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 1902
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dahfara
Daty : 14/06/2017 07:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725