Rasigara (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
E rasigara, e rasigara
Rehefa vita ny mariazy
Sarotra be ny manary azy

E samy nahita, samy nandre
Ny ankizy, tanora, ny olon-dehibe
Fa ao an-tanànan' Antsirabe
No misy ny mpanao sigara re
Fonosiny papier
Napetrany tsara anaty paquet
Dia nolokoiny tsara tarehy
Nasiany soratra manao hoe
Pink, Gauloise, Mélia bleu
Na tsotra zalahy na filtré
Nalefa amidy amin'ny magasin
Na bazary tsotra na tsenabe
Hatreny antsisin' arabe
Ka hatreny amin''ny université
Na sekoly libre na lycée
Eny, hatreny amin'ny CEG
Dia misy olo-marobe
Ankizy madama na ramose
Na voro-kitsay na mi-complet
Na miakanjo tsotra na tablier
Vola madinika na money
Vola taratasy na billet
Rehefa nahazo izy dia nandeha

E rasigara, e rasigara
Rehefa vita ny mariazy
Sarotra be ny manary azy

Rehefa voavidy ary ilay sôrà
Ahoana ny anaovana azy, comment ?
'Zao ary ny ady amin'io rangahy
Rafotsy, ranabavy, rahalahy
Ity ny renseignement
Avy amin'ny copine sy ny copain
Arehitra fotsiny de ça va
Fa ao ny afokasika chinois
Ka na sigara na tabac
Na vitan'ny gasy na ny vazaha
Mandrehitra daholo daholo izay sahy
Na tambonivohitra na tantsaha
Ka jejo ery ry pap
Rehefa mampiaraka amin'i maman
Tsy laitra akisoka ny anao lahy
Amin'ty pataloha pattes d'élephant
Ratrà amin'ny Mélia
Raneny amin'ny Fine 120
Misalotra akanjo lasoa
Mampierika itony tovolahy
Farany ity, dernièrement
Mahazo mifoka tsisy manahy
Fa raha tafahoatra lafo zalahy
Ny fanafody medicaments

E rasigara, e rasigara
Rehefa vita ny mariazy
Sarotra be ny manary azy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 3664
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rawt
Daty : 10/02/2014 19:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111