Omeko tsy omeko (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mialatsiny amin'ity hira iray ity fa izay nahenoako azy no nandikako an'ilay hira fa misy teny izay tsy dia fampiasa loatra hanyka tsy fantatra ilay izy fa raha misy diso dia aza misalasala mamboatra azy ny milaza amiko, izany moa no ilaina an'itony fitaovam-piseraserana itony. misaotra

Ny tiako ho vahatrin'ny aiko na ny omeko tsy omeko
ditsokao e ny maso ditsokao
rapanao e ny foko rapanao
tsorakazo mahitsy tsa mba tia misabaka
ny fitiavako an-droky marina
asanao re ry nao asanao

ny filafila tsy nitsitsiko tambitamby
ny filofilo tsy nandalako sangisangy
fanafana nefa tsy nandaitra iny
volon-gisa tsy nanday rano
ny filafila tsy nitsitsiko tambitamby
ny filofilo tsy nandalako sangisangy
fa lambolambo tsy nahavoa firy e
vanonkolona no mandeha nody

Ny tafa ambony vavaiky
Sy ny omeko tsy omeko
Dia efa ho lava ry nao d'efa ho lava
To tsy zakan'ny tsena to tsy zaka
Avadiko de tsy miandry samy manan'isika
fombany ihany io ry tony fombany ihany
koa aza asian-donilony aoka ihany

ny filafila tsy nitsitsiko tambitamby
ny filofilo tsy nandalako sangisangy
fanafa nefa tsy nandaitra iny
volon-gisa tsy nandray rano
fa lambolambo tsy nahavoa firy e
vanokolona no mandeha nody
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 3872
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rawt
Daty : 10/02/2014 19:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1315