Ny momban'ny Toaka (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)

Eeee e ia (ny momban'ny toaka e)
Eeee e ia (ny momban'ny toaka e)
hotsarovatsika eto ingahy Rasera
misotra tranainy sakaizam-bera
fatra-pigiaka tsy misy lera
tsy mba mifidy kolera
ao ny roma na ny labiera
na ranom-boalobokin'i moopera
vonona foana izy frera
tsy miala any posiny any ilay vera

Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)

Eeee e ia (ny momban'ny toaka e)
Eeee e ia (ny momban'ny toaka e)
Rasera zalahy dia olona tsara
tsy mba mitaditady bagara
rehefa mamo izy tamin'ny bara
dia mody mamonjy ny farafara
izany izy matory taratara
fa mbola mitendritendry gitara
kotsan-dranomaso ny mosara
mahatsiaro ny lasa sy sady tantara

Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
Jijio kely razandry lahy jijio kely e
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
ny inon'izay (ny momban'ny toaka e)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 2556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rawt
Daty : 15/05/2014 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1232