INDRETO (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ndreto izahay ,
Mbola tsara e , mbola tsara !
Samy miantso anao hoe Ray
na dia hoe voazarazara
nohon'ny finoana samihafa !
Tsy hita moa fa izay ilay izy
ka akory moa atao?
Nefa mino zahay ankizy
fa tsy hisy an - kila bao
na hoe zanak'ikalahafa ...
Zanahary ô tantano
raha hamonjy môské
ireo akamako silamo
izay mihirahira hoe :
Inch Allah , inch Allah!
O razokibe Jesosy ô
ny maraina mba tarito ,
tarito hanao cross
ireo mpiditra @ fito
mba ho pezy bakalôréa ô! ô! ô!
Arovy amin'ny mosavy
ireo havanay hindous,
mpanaja ombivavy
sy mpankatoa Guru,
samy mpiondana Yoga !
Ireo mpianatr'i Bouddha
omeo fahendrena be ,
fenoy zava - panahy
ny lohany coco rasé,
ohatran'ny an'i Dalaî Lama...
Ny rahalahy atsy Afrika
tsy mba nanana ny ampy,
fa mahantra mikiakiaka,
natao hoe mpanompo sampy:
itodiho , hamindrao fo.
Aza avela fa sakano
ireo mitady hanaonao foana.
Ireo mitady hampiady an- trano
rehefa tonga ny fotoana
ifidianana izay ho Filoha ô ô ô.
Tompo ô ndreto izahay :
mbola manja e , mbola manja !
Samy miantso anao hoe Ray
fa tsisy bedin'i Rafanja
na dia finoana samihafa..
Mahafinaritra tokoany
raha toa ny mpianakavy
miaraka amin'nh finoany
sy ny Zanahariny avy
no tsy mifampihafahafa...
Enga anie izahay rehetra
honina ao am - paradisa ,
Ka hiaraka hitoetra
na niova fo na jentilisa :
dia samy faly , tsisy malahelo.
Ireo tena latsa - paka
ho ery avara - patana,
ireo izay nisabàka
tsy "quoi" fa miandry tantana...
Dia tsisy ho any an- davaky ny Helo ô ô ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 1804
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dahfara
Daty : 14/06/2019 15:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753